|
|
|
|

Entrée1  Takariva am-pivahiniana
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Dox
Texte complet 
5  Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko 6  Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy, 7  Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny... 8  Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko!
9  Dify any ny masoandro. 10  Ny aloka iny tafandriana. 11  Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano. 12  Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano, 13  Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana…
14  Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko 15  Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko... 16  Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory!
17  Eto ambody aviavy no iainako an'izany. 18  Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany! 19  Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory...

Mis à jour le 2025/05/06